Taratasy Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-3

9 Fa izahay moa mpiara-miasa amin'Andriamanitra; ary hianareo kosa sahan'Andriamanitra sy trano arafiny. 10 Noho ny fahasoavana nomen'Andriamanitra ahy, dia nanao ny fanorenana toy ny tompo-marika mahay aho, ary ny hafa kosa mandrafitra eo amboniny. Samia anefa mitandrina izay arafiny eo amboniny;

11 satria tsy misy mahazo manao fanorenana hafa, afa-tsy izay efa vita, dia Jesoa-Kristy. 12 Koa raha misy mandrafitra trano volamena, na volafotsy, na vatosoa, na hazo, na bozaka na mololo, eo ambonin'io fanorenana io, dia haseho avokoa ny asan'ny olona tsirairay avy; 13 ary ny andron'ny Tompo no hampiseho azy; satria andro hanetriketrika amin'ny afo izany, ka ny afo no hizaha toetra ny asan'ny olona tsirairay isam-batana: 16 Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin'Andriamanitra?

17 Koa izay mandrava ny tempolin'Andriamanitra dia mba horavan'Andriamanitra kosa, satria masina ny tempolin'Andriamanitra, dia hianareo izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0531